plt_tn/num/21/27.md

915 B

Hesbona...tanànan'i Sihona

Ireo dia anarana roa izay manondro tanàna iray ihany.

Aoka ilay tanànan'i Sihona ho hatsangana indray ary ho apetraka indray

DH: "Aoka hatsangan'ny olona indray ary apetraka indray ny tanànan'i Sihona"

hatsangana indray ary ho apetraka indray

Ireo teny roa ireo dia tena mitovy ary manindry fa ho averina hatsangana manontolo indray ny tanàna. DH: "hatsangana manontolo indray"

Nisy afo nidedadeda avy ao Hesbona, lelafo avy ao an-tanànan'i Sihona

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hanomboka ny faharavana ao Hesbona. Ny afo dia manondro tafika mpandrava. DH: "Nitarika tafika mahery avy tamin'ny tanànan'i Hesbona i Sihona mpanjaka."

nandevona an'i Aran'i Moaba

Ny tafik'i Sihona dia resahina toy ny hoe biby izay mitelina ny tanànan'i Ara. DH: "nandrava ny tanànan'i Ara izay ao amin'ny tanin'i Moaba"