plt_tn/num/21/27.md

20 lines
915 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Hesbona...tanànan'i Sihona
Ireo dia anarana roa izay manondro tanàna iray ihany.
# Aoka ilay tanànan'i Sihona ho hatsangana indray ary ho apetraka indray
DH: "Aoka hatsangan'ny olona indray ary apetraka indray ny tanànan'i Sihona"
# hatsangana indray ary ho apetraka indray
Ireo teny roa ireo dia tena mitovy ary manindry fa ho averina hatsangana manontolo indray ny tanàna. DH: "hatsangana manontolo indray"
# Nisy afo nidedadeda avy ao Hesbona, lelafo avy ao an-tanànan'i Sihona
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry fa hanomboka ny faharavana ao Hesbona. Ny afo dia manondro tafika mpandrava. DH: "Nitarika tafika mahery avy tamin'ny tanànan'i Hesbona i Sihona mpanjaka."
# nandevona an'i Aran'i Moaba
Ny tafik'i Sihona dia resahina toy ny hoe biby izay mitelina ny tanànan'i Ara. DH: "nandrava ny tanànan'i Ara izay ao amin'ny tanin'i Moaba"