plt_tn/num/16/08.md

16 lines
1022 B
Markdown

# moa zavatra kely aminareo ve...mba hanompo azy ireo?
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hibedesana an'i Kora sy ireo lehilahy niaraka taminy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Nitondra tena toy ny hoe zavatra kely aminao izany....mba hanompo azy ireo" na "Tsy tokony hihevitra izany ho zavatra kely ianao...mba hanompo azy ireo."
# zavatra kely aminareo
"tsy ampy ho anareo" na "tsy manan-danja aminareo"
# mbola mitady ny fisoronana ihany koa ianareo
Ny faniriana ny fisoronana dia resahina toy ny hoe mitady izany izy ireo. DH: "te hahazo ny fisoronana ihany koa ianareo" na "te ho mpisorona ihany koa ianareo"
# Ka nahoana ianareo no mitaraina mahakasika an'i Arona, izay mankatoa an'i Yaveh?
Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hanehoana amin'izy ireo fa rehefa mitaraina momba izay ataon'i Arona izy ireo, dia mitaraina ny amin'i Yaveh tokoa, satria manao izay lazain'i Yaveh ho ataony i Arona. DH: "Tsy tena mitaraina momba an'i Arona ianareo, fa momba an'i Yaveh, izay ankatoavin'i Arona."