plt_tn/num/16/08.md

1022 B

moa zavatra kely aminareo ve...mba hanompo azy ireo?

Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hibedesana an'i Kora sy ireo lehilahy niaraka taminy. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Nitondra tena toy ny hoe zavatra kely aminao izany....mba hanompo azy ireo" na "Tsy tokony hihevitra izany ho zavatra kely ianao...mba hanompo azy ireo."

zavatra kely aminareo

"tsy ampy ho anareo" na "tsy manan-danja aminareo"

mbola mitady ny fisoronana ihany koa ianareo

Ny faniriana ny fisoronana dia resahina toy ny hoe mitady izany izy ireo. DH: "te hahazo ny fisoronana ihany koa ianareo" na "te ho mpisorona ihany koa ianareo"

Ka nahoana ianareo no mitaraina mahakasika an'i Arona, izay mankatoa an'i Yaveh?

Mampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hanehoana amin'izy ireo fa rehefa mitaraina momba izay ataon'i Arona izy ireo, dia mitaraina ny amin'i Yaveh tokoa, satria manao izay lazain'i Yaveh ho ataony i Arona. DH: "Tsy tena mitaraina momba an'i Arona ianareo, fa momba an'i Yaveh, izay ankatoavin'i Arona."