plt_tn/num/12/06.md

907 B

Tsy toy izany Mosesy mpanompoko

"Tsy miresaka amin'i Mosesy tahaka izany Aho"

Mahatoky izy ao amin'ny tranoko rehetra

Eto ny hoe "trano" dia manambara ny firenen'Israely. Ny hoe mahatoky ao amin'ny tranon'Andriamanitra dia manambara ny hoe mahatoky amin'ny fitarihana ny Israely. DH: "Mitarika ny vahoakako am-pahatokiana i Mosesy" na "Mosesy no ilay iray izay hitokiako mba hitarika an'Israely vahoakako"

Koa nahoana ianareo no tsy matahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy?

Mametraka io fanontaniana io i Yaveh mba hibedesana an'i Miriama sy Arona. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tokony hatahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, hanohitra an'i Mosesy ianareo."

hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy

Ny andianteny hoe "manohitra an'i Mosesy" dia manazava fa izy no "mpanompo" izay resahin'i Yaveh. DH: "hanohitra ny mpanompoko, dia i Mosesy"