# Tsy toy izany Mosesy mpanompoko "Tsy miresaka amin'i Mosesy tahaka izany Aho" # Mahatoky izy ao amin'ny tranoko rehetra Eto ny hoe "trano" dia manambara ny firenen'Israely. Ny hoe mahatoky ao amin'ny tranon'Andriamanitra dia manambara ny hoe mahatoky amin'ny fitarihana ny Israely. DH: "Mitarika ny vahoakako am-pahatokiana i Mosesy" na "Mosesy no ilay iray izay hitokiako mba hitarika an'Israely vahoakako" # Koa nahoana ianareo no tsy matahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy? Mametraka io fanontaniana io i Yaveh mba hibedesana an'i Miriama sy Arona. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tokony hatahotra ny hiresaka hanohitra ny mpanompoko, hanohitra an'i Mosesy ianareo." # hanohitra ny mpanompoko, manohitra an'i Mosesy Ny andianteny hoe "manohitra an'i Mosesy" dia manazava fa izy no "mpanompo" izay resahin'i Yaveh. DH: "hanohitra ny mpanompoko, dia i Mosesy"