plt_tn/num/11/11.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mitaraina amin'i Yaveh amin'ny fampiasana fanontaniana fampisainana vitsivitsy i Mosesy.

Nahoana Ianao no mampijaly ny mpanomponao? Nahoana Ianao no tsy faly amiko?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Mosesy mba hitarainana momba ny fomba hampijalian'Andriamanitra azy. Afaka ambara amin'ny fehezanteny ireo. DH: "Tokony tsy hampijaly mafy ahy, mpanomponao, Ianao. Tsy tokony ho tezitra amiko Ianao" na "Izaho, mpanomponao, dia tsy nanao zavatra tsy nety ka ampijalianao mafy ahy toy izao."

Nampilanjanao ny enta-mavesatr'ireo olona rehetra ireo aho

Mitaraina sy miresaka ny fitarihana ny vahoaka sy ny famatsiana azy ireo toy ny hoe milanja enta-mavesatra i Mosesy. DH: "Nataonao tompon'andraikitra amin'ireo vahoaka rehetra ireo aho, nefa mavesatra amiko loatra amiko izany"

Izaho ve no namorona ireo olona rehetra ireo? Izaho ve no niteraka azy ireo no hilazanao amiko hoe

Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Mosesy mba hisarihana an'Andriamanitra hihevitra fa tsy rain'izy ireo i Mosesy. DH: "Tsy izaho no rain'ireo vahoaka rehetra ireo. Koa tsy rariny raha hiteny amiko Ianao hoe."

Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron'ny ray zaza izy ireo

Midika izany fa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny vahoaka izay tsy afaka mikarakara ny tenan'izy ireo, tahaka ny ray aman-dreny izay tsy maintsy mikarakara ny zanany i Mosesy.

Tokony hitondra azy ireo...izy ireo ve aho?

Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hanantena ahy hitondra azy ireo Ianao...mba hanome azy ireo" na "Tsy vitako ny mitondra azy ireo...mba hanome azy ireo."