plt_tn/num/11/11.md

24 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mitaraina amin'i Yaveh amin'ny fampiasana fanontaniana fampisainana vitsivitsy i Mosesy.
# Nahoana Ianao no mampijaly ny mpanomponao? Nahoana Ianao no tsy faly amiko?
Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Mosesy mba hitarainana momba ny fomba hampijalian'Andriamanitra azy. Afaka ambara amin'ny fehezanteny ireo. DH: "Tokony tsy hampijaly mafy ahy, mpanomponao, Ianao. Tsy tokony ho tezitra amiko Ianao" na "Izaho, mpanomponao, dia tsy nanao zavatra tsy nety ka ampijalianao mafy ahy toy izao."
# Nampilanjanao ny enta-mavesatr'ireo olona rehetra ireo aho
Mitaraina sy miresaka ny fitarihana ny vahoaka sy ny famatsiana azy ireo toy ny hoe milanja enta-mavesatra i Mosesy. DH: "Nataonao tompon'andraikitra amin'ireo vahoaka rehetra ireo aho, nefa mavesatra amiko loatra amiko izany"
# Izaho ve no namorona ireo olona rehetra ireo? Izaho ve no niteraka azy ireo no hilazanao amiko hoe
Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Mosesy mba hisarihana an'Andriamanitra hihevitra fa tsy rain'izy ireo i Mosesy. DH: "Tsy izaho no rain'ireo vahoaka rehetra ireo. Koa tsy rariny raha hiteny amiko Ianao hoe."
# Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron'ny ray zaza izy ireo
Midika izany fa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny vahoaka izay tsy afaka mikarakara ny tenan'izy ireo, tahaka ny ray aman-dreny izay tsy maintsy mikarakara ny zanany i Mosesy.
# Tokony hitondra azy ireo...izy ireo ve aho?
Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy tokony hanantena ahy hitondra azy ireo Ianao...mba hanome azy ireo" na "Tsy vitako ny mitondra azy ireo...mba hanome azy ireo."