plt_tn/num/03/36.md

28 lines
756 B
Markdown

# ny rafitra
Io dia takelaka izay nataon'izy ireo tamin'ny tapa-kazo kely natambatra miaraka.
# ireo barany
Ireo dia andry fanohanana izay mampijoro tsara ny rafitra.
# ireo tsangatsangany
Ny tsangatsangany dia tapa-kazo mafy natao mahitsy sy nampiasaina ho fanohanana.
# faladiany
Mampipetraka ireo tsangatsangany amin'ny toerany ireo faladiany.
# ny fitohizany
Io dia midika hoe ny zavatra rehetra nampiasaina mba hampikambanana ireo bara, ireo tsangatsangany, sy ireo faladiany.
# miaraka amin'ny fifandraisan'ireo
Eto ny hoe "ireo" dia manondro ireo "andry sy tsangatsangany."
# fifandraisan'ireo, fihantonan-javatra, sy tady.
Ireo dia ny zavatra rehetra nampiasaina mba hiarovana ny andry sy ny tsangantsangany hipetraka amin'ny toerany.