plt_tn/neh/10/32.md

907 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ireto andininy ireto ny vahoaka dia milaza ny ao anatin'ilay fianianana nataon'izy ireo tao amin'ny 10:28.

Ekenay ny fandidiana

"Mampanantena fa hankatoa ny didy izahay"

Ekenay

Eto dia ao anatin'ny "izahay" ny Israelita rehetra ao anatin'izany i Nehemia ankoatran'ireo mpisorona sy ireo Levita, ary tsy ao anatin'izany ihany koa ny mpamaky ity boky ity

ny ampahatelon-tsekely

"1/3 sekely." "ny ampahatelony" dia midika hoe ny ampahany fahatelo amin'ny zara mitovy. DH: "volafotsy 5 grama"

ho an'ny fanompoana

"andoa ny saran'ny fikarakarana"

ny mofon'ny fanatrehana

Io dia manondro ireo mofo 12 nandrahoana tsy nasiana lalivay natao tao amin'ny tempoly ary nampiasaina mba hanamarihana ny fanatrehan'Andriamanitra miaraka amin'ny vahoakany.

ireo fetin'ny voaloham-bolana

Ireo dia firavoravoana ankalazaina isakin'ny tsinana ny volana.