plt_tn/neh/04/04.md

1.5 KiB

Henoy, ry Andriamanitray, ... fa nihantsy ny fahatezeran'ny mpanorina ny manda izy ireo

Eto Nehemia dia mivavaka amin'Andriamaitra. DH: "Dia nivavaka aho avy eo hoe: "Henoy, ry andriamanitray, ... satria nihantsy hatezerana ireo mpanorina izy ireo""

Henoy, ry Andriamanitray, fa vaorabiraby izahay

Eto ny teny "izahay" dia manondro ireo Jiosy. DH: "Henoy, ry Andriamanitray, fa efa nanao tsinotsinona anay ireo fahavalonay."

avelao izy ireo ho babo

DH: "avelao izy ireo ho babon'ireo fahavalon'izy ireo"

Avereno amin'ny lohan'izy ireo ihany ny fitenenan-dratsin'izy ireo

Ny andian-teny hoe "ny fitenen-dratsy" eto dia manondro ireo fanevatevan'i Sanbala sy i Tobia. Eto ny teny "loha" dia manondro ny vahoaka manontolo. DH: "avereno amin'izy ireo ihany ny teny ratsin'izy ireo" na "ataovy teny fanesoana ho azy ireo ihany ny faniratsiran'izy ireo"

Aza manarona

Io dia miresaka ny famelana heloka ny otan'nyolona iray toy ny zavatra azo afenina. DH: "Aza mamela heloka"

aza mamafa ny fahotany tsy ho eo anatrehanao

Io dia miresaka ny fanadinoana ny otan'ny olona iray toy ny zavatra izay nosoratana ka afaka fafaina. DH: "aza manadino ny otan'izy ireo"

fa nihantsy ny fahatezeran'ny mpanorina ny manda izy ireo

"nampatezitra ireo mpanorina izy ireo"

Koa natsanganay ny manda

"Koa namerina nanangana ilay manda"

nifandray teo amin'ny hatsasaky ny hahavony ny manda rehetra

DH: "nampifandraisinay teo amin'ireo manda ary hatsasaky ny hahavony ny fitambaran'izany"

hatsasaky ny hahavony

Ny "hatsasaka" dia midika fizarana roa mitovy.