plt_tn/neh/02/01.md

925 B

Tamin'ny volan'i Nisana

Ny "Nisana" no anaran'ny volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo.

tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka

"tamin'ny 20 taona naha mpanjaka an'i Arteksersesy"

Ary

Io teny io dio nampiasaina mba hanamarihana fihatona amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Nehemia dia milaza fampahafantarana fototra mahakasika ny fitondran-tenany teo anatrehan'ny mpanjaka.

Fa hoy ny mpanjaka

"Koa hoy ny mpanjaka"

Nahoana ny endrikao no malahelo be

Ny endrika dia mampiseho ny fihetsem-pon'ny olona iray. DH: '"Nahoana ianao no malahelo"

Mety alahelo ao am-po izany

Io dia miresaka momban'ny alahelon'i Nehemia tahaka ny hoe malahelo ny fony, satria ny fo matetika no raisina toy ny ivon'ny fihetsem-po rehetra. DH: "tena malahelo be ianao"

Dia lasa natahotra mafy aho

Raha niomana ny hamaly iny i Nehemia, dia natahotra izy satria tsy fantany izay ho avalin'ilay mpanjaka.