plt_tn/mrk/16/14.md

24 lines
923 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Rehefa nifankahita tamin'ireo iraika ambin'ny folo Jesosy, dia nibedy azy ireo tamin'ny tsy finoan'izy ireo ary niteny tamin'izy ireo mba handeha eran'izao tontolo izao ka hitory ny filazantsara.
# ny iraika ambin'ny folo
Ireo mpianatra iraika ambin'ny folo tavela rehefa lasa Jodasy.
# hamafin'ny fo
Jesosy dia nibedy ireo mpianatra satria tsy nino Azy izy ireo. DH: "nandà ny hino"
# izao tontolo rehetra izao
Eto ny teny hoe: "izao tontolo izao" dia maneho ny olon-drehetra eran-tany. DH: "Mandehana any amin'izay rehetra misy olona"
# Izay mino sy atao batisa no ho vonjena
Ny teny hoe: "Izay" dia maneho ny olon-drehetra. DH: "Andriamanitra dia hamonjy ny olon-drehetra izay mino sy hamela anao hanao batisa azy ireo"
# izay tsy mino kosa dia ho helohina
Ny teny hoe: "izay" dia maneho ny olon-drehetra. DH: "Andriamanitra dia hanameloka ny olon-drehetra izay tsy mino"