plt_tn/mrk/14/60.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Rehefa namaly Jesosy fa Izy no Kristy, dia nanameloka Azy ho faty avokoa ny mpisoronabe sy ireo loholona teo.

nijoro teo amin'izy ireo

Jesosy nijoro teo afovoan'ireo vahoaka tezitra mba hiresaka amin'izy ireo. DH: "nijoro teo amin'ireo lohandohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona"

Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no hiampangan'ireto olona ireto Anao?

Ny lohandohan'ny mpisorona dia tsy nanontany an'i Jesosy momba izay tenenin'ireo vavolombelona. Manontany an'i Jesosy izy mba hanaporofoan'i Jesosy fa diso izay lazain'ireo vavolombelona ireo. DH: "Tsy hamaly va Ianao? Inona no havalinao an'izany fijoroana vavolombelona hanoheran'ireo olona ireo anao izany?

Zanak'Ilay voatahy?

Eto Andriamanitra dia antsoina hoe: "Ilay voatahy." DH: "Zanak'Andriamanitra"

eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra

Eto ny "hery" dia maneho an'Andriamanitra. DH: "eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra, izay tena mahery tokoa"

avy eny amin'ny rahon'ny lanitra

Eto ny rahona dia voafaritra hoe manaraka an'i Jesosy rehefa hiverina Izy. DH: "rehefa hidina avy eny amin'ny rahona eny amin'ny lanitra izy"