plt_tn/mrk/14/37.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown

# nahita azy ireo natory
Ny teny hoe: "izy ireo" dia maneho an'i Petera, Jakoba, ary Jaona.
# Simona, matory va ianao? Tsy nahavita niambina ora iray va ianao?
Jesosy dia mibedy an'i Petera nohon'ny fatoriany. DH: "Simona, natory ianao rehefa nolazaiko mba hiari-tory. Tsy mahavita miari-tory na dia ora iray akory aza."
# mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy
Jesosy dia miresaka momba ny fakam-panahy toy ny hoe miditra amin'ny toerana iray. DH: "mba tsy ho voan'ny fakam-panahy ianareo"
# Ny fanahy mety mazoto tokoa, fa ny nofo no malemy
Jesosy dia mampitandrina an'i Simona Petera fa tsy hahavita hanohitra hanao izay tiany amin'ny heriny manokana izy. DH: "Hazoto amin'ny fanahinao ianao, fa tsy hahavita hanohitra izay tianao ho atao" na "Te-hanao izay lazainao ianao, kanefa osa ianao"
# Ny fanahy ... ny nofo
Ireo dia maneho zavatra roa samihafa. Ny "fanahy" dia ireo faniriany. Ny "nofo" dia ny fahaiza-manaony araky ny maha-olombelona azy sy ny tanjany.
# namerina ny teny nataony
"namerina nivavaka izay efa nivavahany teo aloha"