plt_tn/mrk/14/37.md

1.0 KiB

nahita azy ireo natory

Ny teny hoe: "izy ireo" dia maneho an'i Petera, Jakoba, ary Jaona.

Simona, matory va ianao? Tsy nahavita niambina ora iray va ianao?

Jesosy dia mibedy an'i Petera nohon'ny fatoriany. DH: "Simona, natory ianao rehefa nolazaiko mba hiari-tory. Tsy mahavita miari-tory na dia ora iray akory aza."

mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy

Jesosy dia miresaka momba ny fakam-panahy toy ny hoe miditra amin'ny toerana iray. DH: "mba tsy ho voan'ny fakam-panahy ianareo"

Ny fanahy mety mazoto tokoa, fa ny nofo no malemy

Jesosy dia mampitandrina an'i Simona Petera fa tsy hahavita hanohitra hanao izay tiany amin'ny heriny manokana izy. DH: "Hazoto amin'ny fanahinao ianao, fa tsy hahavita hanohitra izay tianao ho atao" na "Te-hanao izay lazainao ianao, kanefa osa ianao"

Ny fanahy ... ny nofo

Ireo dia maneho zavatra roa samihafa. Ny "fanahy" dia ireo faniriany. Ny "nofo" dia ny fahaiza-manaony araky ny maha-olombelona azy sy ny tanjany.

namerina ny teny nataony

"namerina nivavaka izay efa nivavahany teo aloha"