plt_tn/mrk/11/27.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny andro manaraka dia niverina tao an-tempoly Jesosy, nanome valin-teny an'ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona, valin-tenin'ny fanontanian'izy ireo momba ny fandroahana ireo mpanakalo vola ivelan'ny faritry ny tempoly, amin'ny alalan'ny fametrahana fanontaniana hafa, izay tsy ho vitan'izy ireo ny hamaly izany.

Dia nankany Jerosalema izy ireo

"Dia nankany Jerosalema Jesosy sy ireo mpianatra"

Ary raha nandehandeha tao an-kianjan'ny tempoly Jesosy

Izany dia midika fa nandehandeha nanodidina ny tao anatin'ny tempoly Jesosy; fa tsy nandehandeha tao anatiny.

Hoy izy ireo taminy

Ny teny hoe: "Izy ireo" dia maneho ireo lohan'ny mpisorona, ireo mpanora-dalàna, ary ireo loholona.

Fahefana avy aiza no hanaovanao ireny zavatra ireny, ary iza no nanome Anao fahefana hanao ireny?

Ireo fanontaniana ireo dia mitovy dika ary hapetraka miaraka mba hanamafy ny fanontaniana momba ny fahefan'i Jesosy. DH: "Iza no manome fahefana Anao hanao ireo zavatra ireo?"

hanaovanao ireny zavatra ireny

Ny teny hoe: "ireny zavatra ireny" dia maneho an'i Jesosy manjera ny latabatry ny mpivarotra ao an-tempoly sy maneho ny fitenenana manohitra ny fampianaran'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna. DH: " hanaovanao zavatra toy ireny nataonao omaly ireny"