plt_tn/mrk/08/16.md

1.0 KiB

Noho isika tsy manana mofo izany

Maneho izay lazain'i Jesosy io fehezanteny io. Mazava kokoa raha tenenina izay soloin'ny "izany" toerana eto: "Izy dia tsy maintsy miteny izany nohon'ny tsy fananantsika mofo"

tsy manana mofo

Ireo mpianatra dia tsy manana afa-tsy mofo iray, izay mitoy amin'ny hoe tsy manana ihany. DH: "mofo tena kely"

Nahoana no amin'ny tsy fananana mofo ny fisainanareo?

Eto Jesosy dia somary mibedy an'ireo mpianatra satria tsy nahafantatra izay tokony ho resahana izy ireo. DH: "Tsy tokony hieritreritra ianareo fa ny mofo amin'izao no resahako"

Mbola tsy azonareo va? Mbola tsy takatrareo va?

Ireo fanontaniana ireo dia mitovy dika ary ampiasaina miaraka mba hanasongadinana fa tsy mahafantatra izy ireo. DH: "Tokony ho azonareo sy takatrareo izao ny zavatra izay teneniko sy ataoko."

Nanjary donto va ny fonareo?

Izany dia fomba fiteny izay maneho azy ireo izay tsy vonona ny hahatakatra ny tian'i Jesosy ho tenenina. DH: "Nahoana no tsy misokatra mba hahazo izay lazaiko?" na "Tsy vonona ny hahatakatra ny fonareo."