plt_tn/mrk/08/11.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tany Dalmanota, Jesosy dia nandà ny hanome famantarana an'ireo Fariseo alohan'ny niakaran'izy sy ny mpianany an-tsambo ary nandeha.

Nitady famantarana izy ireo

"Nitady azy izy ireo"

avy any an-danitra

Fitoeran'Andriamanitra. Hevitra ambadiky ny hoe: Andriamanitra. DH: "avy amin'Andriamanitra"

hitsapana Azy

Ireo Fariseo dia nitsapa an'i Jesosy mba hahatonga Azy hanaporofo fa avy amin'Andriamanitra izy. DH: "hanaporofoana fa Andriamanitra no nandefa Azy"

tany amin'ny fanahiny

"tao amin'ny tenany"

Nahoana no mitady famantarana ity taranaka ity?

Mibedy azy ireo Jesosy. DH: "Tsy tokony hitady famantarana ity taranaka ity."

ity taranaka ity

Rehefa miresaka momba io "taranaka" io Jesosy, dia miresaka momba ireo olona izay velona amin'io fotoana io. Eto dia tafiditra ao anatiny ireo Fariseo. DH: "ianareo sy ity taranaka ity"

tsy misy famantarana omena

Afaka atao hoe: "Tsy hanome famantarana aho"

nandao azy ireo Izy, niakatra tao an-tsambokely indray

Niaraka taminy ireo mpianany. DH: "nandao azy ireo Izy, niakatra tao an-tsambokely indray niaraka tamin'ireo mpianany"

ho eny am-pita

Maneho ny Ranomasin'i Galilia izany. DH: "eny am-pitan-dranomasina"