plt_tn/mrk/07/14.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy dia miteny fanoharana amin'ny vahoaka mba hanampy azy ireo hahafantatra izay noteneniny tamin'ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo.

niantso Izy

"Niantso Jesosy"

Mihainoa Ahy, ianareo rehetra, ka fantaro

Ireo teny hoe: "Mihainoa" sy "fantaro" dia mifandray. Jesosy dia mampiasa miaraka ireo mba hanasongadinana fa ireo mpihaino Azy dia tokony mifantoka tsara amin'izay teneniny.

fantaro

Manampy bebe kokoa raha soratana izay tenenin'i Jesosy ho azon'izy ireo. DH: "ezaho ho azo izay lazaiko anareo"

zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona

Jesosy dia miteny momba izay hohanin'ny olona iray. Izany dia mifanohitra amin'ny hoe "izay mivoaka avy ao amin'ny olona." DH: "tsy misy zavatra avy eo ivelan'ny olona izay afaka hohaniny"

Fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona

Izany dia maneho ny zavatra izay ataon'ny olona na izay teneniny. Izany dia mifanohitra amin'ny hoe: "Izay mivoaka avy ao anatin'ny olona ka miditra ao aminy. " DH: "izany dia izay mivoaka avy ao anatin'olona ka teneniny na ataony"