forked from WA-Catalog/plt_tn
20 lines
939 B
Markdown
20 lines
939 B
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Jesosy niverina tany amin'ny tanàna niaviany izay tsy nandraisana Azy.
|
|
|
|
# ny tanindrazany
|
|
|
|
Izany dia maneho ny tanànan'i Nazareta izay naha-lehibe an'i Jesosy sy nitoeran'ny fianakaviany. Izany akory tsy midika fa manana tany ao Izy.
|
|
|
|
# Inona izao fahendrena izay nomena Azy izao?
|
|
|
|
Io fanontaniana io dia afaka atao ihany koa hoe: "Inona ity fahendrena izay azony ity?"
|
|
|
|
# izay nataony tamin'ny tanany
|
|
|
|
Io fehezanteny io dia manasongadina ireo fahagagana izay nataon'i Jesosy izy tenany mihitsy.
|
|
|
|
# Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak'i Maria ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amintsika eto ve ireo anabaviny?
|
|
|
|
Io fanontaniana io dia afaka atao hoe: "Izy dia mpandrafitra tsotra! Fantatsika ny fianakaviany. Fantatsika i Maria reniny. Fantatsika ireo zandriny lahy: Jakoba, Josesy, Jodasy, ary i Simona. Sy ireo zandriny vavy izay miara-mipetraka amintsika eto."
|