plt_tn/mrk/06/01.md

939 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy niverina tany amin'ny tanàna niaviany izay tsy nandraisana Azy.

ny tanindrazany

Izany dia maneho ny tanànan'i Nazareta izay naha-lehibe an'i Jesosy sy nitoeran'ny fianakaviany. Izany akory tsy midika fa manana tany ao Izy.

Inona izao fahendrena izay nomena Azy izao?

Io fanontaniana io dia afaka atao ihany koa hoe: "Inona ity fahendrena izay azony ity?"

izay nataony tamin'ny tanany

Io fehezanteny io dia manasongadina ireo fahagagana izay nataon'i Jesosy izy tenany mihitsy.

Tsy ilay mpandrafitra ve io, ilay zanak'i Maria ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amintsika eto ve ireo anabaviny?

Io fanontaniana io dia afaka atao hoe: "Izy dia mpandrafitra tsotra! Fantatsika ny fianakaviany. Fantatsika i Maria reniny. Fantatsika ireo zandriny lahy: Jakoba, Josesy, Jodasy, ary i Simona. Sy ireo zandriny vavy izay miara-mipetraka amintsika eto."