plt_tn/mrk/04/13.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy dia manazava ny fanoharana momba ny tany amin'ireo mpanara-dia Azy ary avy eo miteny amin'izy ireo ny fampiasana ny jiro mba hampiseho fa ny zava-miafina dia ho fantatra.

Ary hoy izy tamin'izy ireo

"Ary hoy Jesosy tamin'ireo mpianany"

Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Ahoana izany no hahazoanareo ireo fanoharana hafa rehetra ?

Jesosy dia mampiasa io fanontaniana io mba haneho ny alahelony fa ireo mpianany dia tsy afaka mahazo ny fanoharany. DH: "raha tsy mahazo io fanoharana io ianareo, dia eritrereto fa ho sarotra ho anareo ny hahazo ireo fanoharana hafa rehetra."

Ilay mpamboly izay mamafy ny voany dia

"Ilay mpamboly izay mamafy ny voany dia maneho"

dia ilay iray izay mamafy ny teny

Ny hoe: "ny teny" dia maneho ny hafatr'Andriamanitra. Ny famafazana ny hafatr'Andriamanitra dia maneho ny fampianarana azy. DH: "ilay iray izay mampianatra ny hafatr'Andriamanitra amin'ny olona"

Ny sasany dia ireo izay niraraka teny an-dalana

"Ny olona sasany dia tahaka ireo voa izay niraraka teny an-dalana" na " Ny olona sasany dia tahaka ny lalana izay nilatsahan'ireo voa"

rehefa ren'izy ireo izany

Eto ny "izany" dia maneho "ireo teny" na "hafatr'Andriamanitra."