plt_tn/mrk/03/20.md

932 B

Dia nody tany an-trano Izy

"Dia nody tany an-trano izay nipetrahany Jesosy."

tsy afaka nisakafo akory izy ireo

Ny teny hoe: "mofo" dia maneho sakafo. DH: "Jesosy sy ireo mpianany dia tsy afaka nisakafo akory" na "tsy afaka nihinana na inona na inona izy ireo"

dia nivoaka izy ireo haka Azy

Ireo olona tao anatin'ny fianakaviana no nankeny amin'ny trano, ka ho afaka hitazona azy sy hanery azy hody any an-trano hiaraka amin'izy ireo.

satria nolazain'izy ireo hoe:

Ny mety ho dikany hafa an'io teny hoe: "izy ireo" io dia : 1) ny fianakaviany na 2) olona sasantsasany tamin'ireo vahoaka.

Very saina Izy

Ny fianakavian'i Jesosy dia mampiasa io fomba fiteny io mba hamaritana izay eritreretin'izy ireo ho ataony. DH: "adala" na "tsy misy saina"

Amin'ny alalan'ny mpanapaky ny demonia no androahany ny demonia

"Amin'ny alalan'ny herin'i Belzeboba izay mpanapaka ireo demonia, no nandroahan'i Jesosy ireo demonia"