plt_tn/mrk/02/22.md

934 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy nanomboka niteny fanoharana hafa momba ny fametrahana divay vaovao ao amin'ny siny hoditra tonta ho mifanohitra amin'ny siny hoditra vaovao.

divay vaovao

"ranom-boaloboka." Izany dia maneho ny divay izay tsy mbola notehirizina ela. Raha tsy fantatra ao amin'ny faritra misy anao ny hoe: "voaloboka" dia ampiasao ny voambolana hahafantaran'ny faritra misy anao an'io voankazo io.

siny hoditra tonta

Izany dia maneho siny hoditra izay efa ela niasana.

siny hoditra

Ireo dia siny vita tamin'ny hoditra biby. Azo antsoina ihany koa hoe: "sinin-divay" na "siny hoditra"

ho rovitry ny divay ny hoditra

Ireo divay vaovao dia miakatra rehefa mbola mialin'andro, ka mety hampatonta, handrovitra ny siny hoditra mba hisokatra.

very

"simba"

siny hoditra vaovao

"siny hoditra vaovao" na "sinin-divay vaovao." Izany dia maneho fa tsy mbola nampiasaina mihitsy ireo siny hoditra.