plt_tn/mrk/02/08.md

20 lines
1.3 KiB
Markdown

# ao amin'ny fanahiny
"ao amin'ny toetra anatiny" na "ao amin'ny tenany"
# ny zavatra noeritreretin'izy ireo
Ny mpanora-dalàna tsirairay dia samy nieritreritra ny tenany; tsy nifampiresaka izy ireo.
# Fa nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
Jesosy dia mampiasa io fanontaniana io mba hiteny an'ireo mpanora-dalàna fa izany eritreretin'izy ireo izany dia diso. DH: "Izany eritreretinareo izany dia diso" na "Aza mieritreritra fa izaho dia miteny ratsy "
# izany ao am-ponareo
Ny teny hoe: "fonareo" dia hevitra ambadiky ny eritreritra anatin'izy ireo sy ny faniriana. DH: "izany no anatin'ny tenanareo" na "izany zavatra izany"
# Inona no moramora kokoa ny miteny amin'ilay lehilahy malemy ... batao ny fandrianao, dia mandehana'?
Jesosy nametraka izany fanontaniana izany satria ireo mpanora-dalàna dia nino ilay lehilahy tsy afaka mihetsika nohon'ny otany, ary raha voavela ny helok'ilay lehilahy, afaka mandeha izy. Raha nositranin'i Jesosy ilay lehilahy tsy afaka mihetsika, ireo mpanora-dalàna dia manaiky fa Jesosy dia afaka mamela heloka. Noho izany, dia mety hanaiky ihany koa izy ireo, fa izy no Andriamanitra. Io fanontaniana io dia afaka miova hevitra. DH: "Moramora kokoa ny miteny amin'ilay lehilahy malemy hoe: 'Voavela ny helokao' nohon'ny hoe: 'Mitsangàna, batao ny fandrianao, dia mandehana!"'