plt_tn/mrk/01/38.md

553 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto ny teny hoe: "Izy" sy "Izaho" dia maneho an'i Jesosy.

Andeha isika ho any amin'ny toeran-kafa

"Mila mandeha mankany amin'ny toeran-kafa isika." Eto Jesosy dia mampiasa ny teny hoe "isika" mba hanehoana ny tenany, miaraka amin'i Simona, Andrea, Jakoba, ary i Jaona.

Nitety an'i Galilia manontolo Izy

Ny teny hoe: "manontolo" dia filaza tafahoatra ampiasaina mba hampisongadina fa Jesosy dia nandeha tamin'ny toerana maro nandritra ny asa fanompoany. "Izy dia nandeha tamin'ny toerana maro tao Galilia"