plt_tn/mic/07/09.md

589 B

Satria ...aho

Tsy ny tenany ihany no tondroin'i Mika. Ny tiany holazaina dia ny hoe: ny vahoakan'Israely rehetra mihitsy no efa nanota.

mandra-pandahany ny teniko, sy hanatanterahany fitsarana ho ahy

Io dia manondro ny fotoana hilazan'Andriamanitra fa ampy izay ny fanasaziany ireo vahoakany. Ary hanasazy ireo vahoakan'ny firenena hafa izay nampijaly ny vahoakan'Israely indray izy avy eo.

Hitondra ahy ho eo amin'ny fahazavana Izy

DH: "Ho avy hanavotra antsika amin'ny fahavalontsika Izy. Izany dia ho tahaka ny fitondrana olona iray avy ao amin'ny maizina ho amin'ny mazava"