plt_tn/mic/04/09.md

1.3 KiB

Ankehitriny, nahoana no mihiaka mafy ianao?

Mika dia maneso ireo vahoaka, miezaka ny mampisaina azy ireo ny amin'ny antony hitondran' Andriamanitra azy ireo amin'izany fomba izany. DH: "Ankehitriny, mihiaka mafy ianareo."

Tsy misy mpanjaka ve eo aminao? Maty ve ny mpanolo-tsainao? Izany ve no mahatonga ny fanaintainana mahazo anao tahaka ny an'ny vehivavy eo am-piterahana?

Manohy ny fanantefany amin'ireo vahoaka amin'ny feo maneso i Mika. Ny valin'ireo fanontaniana ireo dia "tsia". Ny mpanjaka sy ny mpanolotsaina dia mbola ao, saingy tsy misy ilàna azy sy tsy mitondra fanampiana izy ireo. DH: Ko nahona ianareo no midradradradra ankehitriny? Satria ve tsy manana mpanjaka ianareo? Moa efa moa efa maty avokoa ireo olon-kendrinareo? Mitomany mafy tahaka ny vehivavy miteraka ianareo." (UDB)

Aoka hanaintaina ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, tahaka ny vehivavy miteraka

Mampiasa io sarin-teny momba ny vehivavy miteraka io i Mika mba hanamafisany ny fahorian'ny voasesi-tany. Ny tiany holazaina dia hoe; tokony hanaintaina izy ireo satria Andriamanitra no manasazy azy ireo amin'ny alalan'ny fampodiana azy ireo avy avy israely. Maro amin'izy ireo no tsy hody intsony.

Any no hanavotana anao. Any no hanavotan'i Yaveh anao

DH: "Any no hanavotan'i Yaveha anao"