plt_tn/mic/04/09.md

16 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Ankehitriny, nahoana no mihiaka mafy ianao?
Mika dia maneso ireo vahoaka, miezaka ny mampisaina azy ireo ny amin'ny antony hitondran' Andriamanitra azy ireo amin'izany fomba izany. DH: "Ankehitriny, mihiaka mafy ianareo."
# Tsy misy mpanjaka ve eo aminao? Maty ve ny mpanolo-tsainao? Izany ve no mahatonga ny fanaintainana mahazo anao tahaka ny an'ny vehivavy eo am-piterahana?
Manohy ny fanantefany amin'ireo vahoaka amin'ny feo maneso i Mika. Ny valin'ireo fanontaniana ireo dia "tsia". Ny mpanjaka sy ny mpanolotsaina dia mbola ao, saingy tsy misy ilàna azy sy tsy mitondra fanampiana izy ireo. DH: Ko nahona ianareo no midradradradra ankehitriny? Satria ve tsy manana mpanjaka ianareo? Moa efa moa efa maty avokoa ireo olon-kendrinareo? Mitomany mafy tahaka ny vehivavy miteraka ianareo." (UDB)
# Aoka hanaintaina ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, tahaka ny vehivavy miteraka
Mampiasa io sarin-teny momba ny vehivavy miteraka io i Mika mba hanamafisany ny fahorian'ny voasesi-tany. Ny tiany holazaina dia hoe; tokony hanaintaina izy ireo satria Andriamanitra no manasazy azy ireo amin'ny alalan'ny fampodiana azy ireo avy avy israely. Maro amin'izy ireo no tsy hody intsony.
# Any no hanavotana anao. Any no hanavotan'i Yaveh anao
DH: "Any no hanavotan'i Yaveha anao"