plt_tn/mic/04/01.md

865 B

hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh

DH: "Hanarina ny tendrombohitra izay hanorenany ny tempoliny i Yaveh"

eo amin'ireo tendrombohitra hafa

Io dia midika fa ny Tendrombohitra Ziona dia ho manan-danja indrindra eo amin'ireo tendrombohitra rehetra. Mety ho midika ihany koa io fa io tendrombohitra io no ho tendrombohitra avo indrindra amin'izao tontolo izao, fa tsy amin'ny faritra iray ihany.

hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa

DH: "homena voninahitra mihoatra noho ireo tendrombohitra hafa"

hitanjozotra hankany amin'izany ireo vahoaka

Ho any amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra tahaka ny rano mikoriana ireo vahoakan'ny firenena. Midika izany fa vahoaka maro no ho any. DH: "Ireo vahoakan'ny firenena dia hikoriana tahaka ny renirano ho any amin'izany" na "Ho any amin'izany ireo vahoakan'ny firenena"