plt_tn/mic/03/01.md

741 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Ny Toko faha 3 dia mifantoka amin'ny faharatsian'ireo mpitarika ao Israely.

Hoy aho

Eto, ny "Aho" dia manondro an'i Mika.

Moa ve tsy mety aminareo ny mahatakatra ny fahamarinana?

Mampiasa io fanontaniana io i Mika mba hitenenana mafy ireo mpitarika satria tsy niaro ireo vahoaka mahantra na nitondra azy ireo ara-drariny izy ireo.

ianareo izay manendaka ny hoditr'izy ireo, ny nofon'izy ireo amin'ny taolany ... tahaka ny hena atao ao amin'ny fandrahoan-kena

Mampiasa io sarin-teny mahatsiravina momba ny mpivaro-kena mitetika ny biby mba ho lasa hena io i Mika mba hanamafisany ny fahatafitohinan'Andriamanitra amin'ireo mpitarika noho'ny halozan'izy ireo tami'ireo izay tokony narovany.