plt_tn/mic/01/02.md

866 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Mika 1:2-7 dia mahakasika ny fitsaran'Andriamanitra tao Semaria.

Mihainoa, ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry tany, sy izay rehetra eo aminao

Io no manomboka ny faminanian'i Mika. Ireo fanambarana ireo dia mitovy ny dikany ary manamafy fa ny olona rehetra ambonin'ny tany dia hihaino. Mika dia miresaka toy ny hoe mihaino azy eo avokoa ny vahoakan'ny tany rehetra.

hidina Izy ary handia eny amin'ireo fitoerana avon'ny tany

DH: "hamotika tanteraka ny fitoerana avon'ny tany rehetra toy ny hoe manosihosy azy ireo amin'ny tongony Izy"

Ireo tendrombohitra hiempo eo ambaniny; ireo lohasaha hitsonika tahaka ny savoka anoloan'ny afo, tahaka ny rano izay arotsaka any amin'ny hantsana

Io dia midika fa rehefa tonga handrava ny toerana masina fanompoan-tsampy Andriamanitra dia tsy hisy na inona na inona hahasakana Azy.