plt_tn/mat/27/03.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Nijanona tsy nilaza ny tanataran'i Jeosy ny mpanoratra eto ka afaka milaza ny tantaran'ny namonoan'i Jodasy tena.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity tranga ity dia niseho taorian'ny fitsarana an'i Jesosy teo amin'ny filan-kevitr'ireo mpitarika Jiosy, fa tsy fantatra raha nitranga taloha na nandritra ny fitsarana an'i Jesosy teo amin'i Pilato izany.

fa voaheloka Jesosy

Azo atao hoe DH: "fa nomelohin'ireo mpitarika Jiosy i Jesosy"

ireo volafotsy

Ireo no vola nomen'ireo lohan'ny mpisorona an'i Jodasy mba hamadihany an'i Jesosy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 26:14.

rà tsy manan-tsiny

Fomba fiteny izay ilazana ny fahafatesan'ny olona tsy manan-tsiny io. DH: "olona tsy mendrika ny ho faty"

Ahoanay inona?

Mampiasa io fanontaninana io ireo mpitarika Jiosy mba hanindriana fa tsy miraharaha izay lazain'i Jodasy izy ireo. DH: "Tsy olanay izany" na "Olanao izany"

natsipiny tao an-tempoly ireo volafotsy

Ireo mety ho dikany dia 1) nanipy ireo volafotsy madinika telopolo izy raha mbola teo an-tokontanin'ny tempoly, na 2) nitsangana teo amin'ny tokontanin'ny tempoly izy, ary natsipiny tao an-tempoly ireo volafotsy madinika telopolo.