# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Nijanona tsy nilaza ny tanataran'i Jeosy ny mpanoratra eto ka afaka milaza ny tantaran'ny namonoan'i Jodasy tena. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity tranga ity dia niseho taorian'ny fitsarana an'i Jesosy teo amin'ny filan-kevitr'ireo mpitarika Jiosy, fa tsy fantatra raha nitranga taloha na nandritra ny fitsarana an'i Jesosy teo amin'i Pilato izany. # fa voaheloka Jesosy Azo atao hoe DH: "fa nomelohin'ireo mpitarika Jiosy i Jesosy" # ireo volafotsy Ireo no vola nomen'ireo lohan'ny mpisorona an'i Jodasy mba hamadihany an'i Jesosy. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 26:14. # rĂ  tsy manan-tsiny Fomba fiteny izay ilazana ny fahafatesan'ny olona tsy manan-tsiny io. DH: "olona tsy mendrika ny ho faty" # Ahoanay inona? Mampiasa io fanontaninana io ireo mpitarika Jiosy mba hanindriana fa tsy miraharaha izay lazain'i Jodasy izy ireo. DH: "Tsy olanay izany" na "Olanao izany" # natsipiny tao an-tempoly ireo volafotsy Ireo mety ho dikany dia 1) nanipy ireo volafotsy madinika telopolo izy raha mbola teo an-tokontanin'ny tempoly, na 2) nitsangana teo amin'ny tokontanin'ny tempoly izy, ary natsipiny tao an-tempoly ireo volafotsy madinika telopolo.