plt_tn/mat/26/39.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown

# niankohoka
Niankohoka tamin'ny tany mihitsy Izy mba hivavaka.
# Ry Raiko
Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.
# aoka esorina amiko ity kapoaka ity
Eto ny "kapoaka"dia ilazana ny kapoaka sy ny zavatra ao anatiny. Ny zavatra ao anaty kapoaka dia sarin-teny maneho ny fahoriana izay hiaretan'i Jesosy. Mangataka ny Ray i Jesosy raha azony atao ny tsy hijaly sy ho faty amin'ny fomba izay fantatr'i Jesosy fa hijaliany ao Jerosalema.
# aoka tsy araka ny sitrapoko, fa ny sitraponao
AZo atao hoe DH: "Saingy aza izay tiako no atao, fa izay tianao no ataovy"
# hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Inona, tsy mahavita miambina ... ianareo
Miresaka amin'i Petera i Jesosy, fa ny "ianareo" dia manondro an'i Petera, Jakoba, ary Jaona.
# Inona, tsy mahavita miambina miaraka amiko na dia ora iray aza va ianareo?
Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hibedesana an'i Petera, Jakoba ary Jaona. DH: "Diso fanantenana Aho hoe tsy afaka ny niari-tory niaraka tamiko nandritra ny ora iray ianareo!"
# tsy ho azon'ny fakam-panahy ianareo
Eto ny hoe "fakam-panahy" dia azo atao matoanteny. DH: "tsy hisy haka fanahy anareo"
# Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no malemy
Eto ny "fanahy" dia ilazana ny fanirian'ny olona iray. Ary ny "nofo" dia maneho ny maha-olona manontolo. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia mety manana faniriana ny hanao izay tian'Andriamanitra izy ireo, saingy amin'ny maha-olona dia malemy izy ireo ary lavo.