plt_tn/mat/26/39.md

1.5 KiB

niankohoka

Niankohoka tamin'ny tany mihitsy Izy mba hivavaka.

Ry Raiko

Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.

aoka esorina amiko ity kapoaka ity

Eto ny "kapoaka"dia ilazana ny kapoaka sy ny zavatra ao anatiny. Ny zavatra ao anaty kapoaka dia sarin-teny maneho ny fahoriana izay hiaretan'i Jesosy. Mangataka ny Ray i Jesosy raha azony atao ny tsy hijaly sy ho faty amin'ny fomba izay fantatr'i Jesosy fa hijaliany ao Jerosalema.

aoka tsy araka ny sitrapoko, fa ny sitraponao

AZo atao hoe DH: "Saingy aza izay tiako no atao, fa izay tianao no ataovy"

hoy Izy tamin'i Petera hoe: "Inona, tsy mahavita miambina ... ianareo

Miresaka amin'i Petera i Jesosy, fa ny "ianareo" dia manondro an'i Petera, Jakoba, ary Jaona.

Inona, tsy mahavita miambina miaraka amiko na dia ora iray aza va ianareo?

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hibedesana an'i Petera, Jakoba ary Jaona. DH: "Diso fanantenana Aho hoe tsy afaka ny niari-tory niaraka tamiko nandritra ny ora iray ianareo!"

tsy ho azon'ny fakam-panahy ianareo

Eto ny hoe "fakam-panahy" dia azo atao matoanteny. DH: "tsy hisy haka fanahy anareo"

Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no malemy

Eto ny "fanahy" dia ilazana ny fanirian'ny olona iray. Ary ny "nofo" dia maneho ny maha-olona manontolo. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia mety manana faniriana ny hanao izay tian'Andriamanitra izy ireo, saingy amin'ny maha-olona dia malemy izy ireo ary lavo.