plt_tn/mat/26/30.md

987 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampianatra ireo mpianany eny am-pandehanana ho eny amin'ny Tendrombohitr'Oliva i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 31, mamerina ny tenin'i Zakaria mpaminany i Jesosy hampisehoana fa mba hahatanteraka ny faminaniana, dia handao Azy avokoa ireo mpianany.

hira fiderana

hira fiderana ho an'Andriamanitra

fa voasoratra hoe

Azo atao hoe DH: "fa voasoratr'i Zakaria mpaminany hatry ny ela tao amin'ny soratra masina"

Hamely ... Aho

Eto ny "Aho" dia manondro an'Andriamanitra. Midika izany fa Andriamanitra dia hamela ny olona hamely sy hamono an'i Jesosy.

ny mpiandry ondry ... ny ondry

Ireo dia sarin-teny ilazana an'i Jesosy sy ireo mpianatra.

hiparitaka ny ondry

Azo atao hoe DH: "haparitak'izy ireo ny ondrin'ny vala rehetra" na "hihazakazaka eran'ny lalana rehetra ireo ondrin'ny vala"

aorian'ny fitsanganako amin'ny maty

Azo atao hoe DH: "Aorian'ny hanaganan'Andriamanitra Ahy"