plt_tn/mat/26/06.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity no fiandohan'ny tantaran'ilay vehivavy nandraraka menaka lafo vidy teo amin'ny Jesosy mialohan'ny ahafatesany.

Ary

Io teny io eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatoana eo amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Matio dia manomboka mitantara fizaran-tantara vaovao.

Simona boka

Misy hevitra ambadika izany fa lehilahy izay nositranin'i Jesosy tamin'ny habokana io.

nisy vehivavy iray

"Nisy vehivavy nankeo amin'i Jesosy"

tavoara alabastara

Fasiana lafo vidy vita amin'ny vato malama io.

menaka

Menaka izay mani-pofona

nandraraka izany tamin'ny lohany

Nanao izany ilay vehivavy mba ho fanajana an'i Jesosy.

Inona no anton'izao fandaniana izao?

Nametraka izany fanontaniana izany ireo mpianatra nohon'ny hatezeran'izy ireo tamin'ny nataon'ilay vehivavy. DH: "Nanao zavatra ratsy ity vehivavy ity tamin'ny nandaniany fahatany an'io menaka manitra io!"

afaka namidy lafo ary nomena ireo mahantra io

Azo atao hoe DH: "Afaka namidiny vola be io ary nomena ... ilay vola"

ireo mahantra

Eto ny "mahantra" dia azo atao hoe DH: "ireo olona mahantra"