plt_tn/mat/25/19.md

834 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy milaza ilay fanoharana momba ireo mpanompo sy ireo talenta i Jesosy.

Ary

Io teny io eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatoana eo amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Jesosy dia manomboka milaza ny fizaran'ny tantara vaovao.

talenta

Ny "talenta" iray dia mitentina karama roapolo taona. Aza mandika izany araka ny vola amin'izao fotoana izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:14.

Tsara izany

"Tsara ny nataonao" na "Mety ny nataonao." Mety manana fomba ampiasain'ny mpampiasa (na manam-pahefana) mba hanehoana ny fankasitrahany izay vitan'ny mpiasany (na izay ambany fahefany) ny fiteninao.

Midira amin'ny fifalian'ny tomponao

Ny teny hoe "midira amin'ny fifalian'ny" dia fomba fiteny. Ary koa, manondro ny tenany ihany ilay tompo. DH: "Avia ary miaraha-mifaly amiko"