# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy milaza ilay fanoharana momba ireo mpanompo sy ireo talenta i Jesosy. # Ary Io teny io eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatoana eo amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Jesosy dia manomboka milaza ny fizaran'ny tantara vaovao. # talenta Ny "talenta" iray dia mitentina karama roapolo taona. Aza mandika izany araka ny vola amin'izao fotoana izao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:14. # Tsara izany "Tsara ny nataonao" na "Mety ny nataonao." Mety manana fomba ampiasain'ny mpampiasa (na manam-pahefana) mba hanehoana ny fankasitrahany izay vitan'ny mpiasany (na izay ambany fahefany) ny fiteninao. # Midira amin'ny fifalian'ny tomponao Ny teny hoe "midira amin'ny fifalian'ny" dia fomba fiteny. Ary koa, manondro ny tenany ihany ilay tompo. DH: "Avia ary miaraha-mifaly amiko"