plt_tn/mat/24/12.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# ny faharatsiana dia hitombo
Azo atao hoe DH: "hanota hatrany hatrany ny olona"
# hihamangatsika ny fitiavan'ny maro
Ireo mety ho dikany dia 1) "maro ny olona tsy ho tia ny olona hafa intsony" na 2) "maro ny olona tsy hitia an'Andriamanitra intsony."
# ilay iray izay miharitra
"na iza na iza no mijanona ho mahatoky"
# hatramin'ny farany
Tsy mazava eto ny dikan'ny "farany" raha hoe rehefa maty ilay olona, na rehefa tapitra ny fanenjehana, na rehefa tonga ny fara-andro izay hisehoan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. Ny hevi-dehibe eto dia maharitra ela araka izay ilaina izy ireo
# ho voavonjy
Azo atao hoe DH: "Hanafaka izany olona izany Andriamanitra"
# Ity filazantsaran'ny fanjakana ity dia ho toriana
Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "Hilaza izany hafatra momba ny didin'Andriamanitra izany ny olona"
# firenena rehetra
Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "ny olona rehetra avy any amin'ny toerana rehetra"
# Avy eo dia ho tonga ny farany
"Fahataperan'izao tontolo izao" na "Fara-andro"