plt_tn/mat/23/18.md

1.2 KiB

Ary

Azo atao mazava kokoa ny hevitra izay efa voaray. DH: "Ary lazainareo ihany koa"

tsy misy dikany izany

"tsy mila manao izay nianianany hatao izy" na "tsy mila mitazonany voadiny izy''

fanatitra

Biby na voan-java-maniry izay haterin'olona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fametrahana izany eo amin'ny alitaran'Andriamanitra.

voafatotry ny fianianany

"voafatotra amin'ny voadiny." Ny hoe tsy maintsy manao izay nolazain'ny olona iray tamin'ny voadiny dia lazaina ho toy ny hoe voafatotra amin'ilay voady izy. DH: "tsy maintsy manao izay nampanantenainy hatao"

olona jamba

Jamba ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Na dia nihevi-tena ho mpampianatra aza izy ireo, dia tsy afaka nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra.

iza no lehibe kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina?

Mampiasa io fanontaniana io i Jesosy mba hananarana ireo Fariseo satria noraisin'izy ireo ho zava-dehibe kokoa noho ny alitara ireo fanatitra. DH: "Ny alitara izay mahatonga ny fanatitra ho masina dia lehibe kokoa noho ny fanatitra!"

ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina

"ny alitara izay mahatonga ny fanatitra ho hafa mihitsy amin'Andriamanitra.