plt_tn/mat/23/18.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Ary
Azo atao mazava kokoa ny hevitra izay efa voaray. DH: "Ary lazainareo ihany koa"
# tsy misy dikany izany
"tsy mila manao izay nianianany hatao izy" na "tsy mila mitazonany voadiny izy''
# fanatitra
Biby na voan-java-maniry izay haterin'olona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fametrahana izany eo amin'ny alitaran'Andriamanitra.
# voafatotry ny fianianany
"voafatotra amin'ny voadiny." Ny hoe tsy maintsy manao izay nolazain'ny olona iray tamin'ny voadiny dia lazaina ho toy ny hoe voafatotra amin'ilay voady izy. DH: "tsy maintsy manao izay nampanantenainy hatao"
# olona jamba
Jamba ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Na dia nihevi-tena ho mpampianatra aza izy ireo, dia tsy afaka nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra.
# iza no lehibe kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina?
Mampiasa io fanontaniana io i Jesosy mba hananarana ireo Fariseo satria noraisin'izy ireo ho zava-dehibe kokoa noho ny alitara ireo fanatitra. DH: "Ny alitara izay mahatonga ny fanatitra ho masina dia lehibe kokoa noho ny fanatitra!"
# ny alitara izay manao ny fanatitra ho masina
"ny alitara izay mahatonga ny fanatitra ho hafa mihitsy amin'Andriamanitra.