plt_tn/mat/23/16.md

1.0 KiB

mpitarika jamba ... jamba adala!

Jamba ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Na dia nihevi-tena ho mpampianatra aza izy ireo, dia tsy afaka nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "mpitarika jamba" ao amin'ny 15:12.

amin'ny tempoly, dia tsy misy dikany izany

"amin'ny tempoly dia tsy voatery hitazona ny voadiny"

voafatotry ny fianianany izy

"voafatotra amin'ny voadiny." Ny hoe tsy maintsy manao izay nolazain'ny olona iray tamin'ny voadiny dia lazaina ho toy ny hoe voafatotra amin'ilay voady izy. DH: "tsy maintsy manao izay nampanantenainy hatao"

Iza no lehibe kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay manao ny volamena ho masina?

Mampiasa io fanontaniana io i Jesosy mba hananarana ireo Fariseo satria noraisin'izy ireo ho zava-dehibe kokoa noho ny tempoly ilay volamena. DH: "Ny tempoly izay nanokana ny volamena ho an'Andriamanitra dia lehibe kokoa noho ny volamena!"

ny tempoly izay manao ny volamena ho masina

"ny tempoly izay manao ny volamena dia an'Andriamanitra ihany"