# mpitarika jamba ... jamba adala! Jamba ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Na dia nihevi-tena ho mpampianatra aza izy ireo, dia tsy afaka nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "mpitarika jamba" ao amin'ny 15:12. # amin'ny tempoly, dia tsy misy dikany izany "amin'ny tempoly dia tsy voatery hitazona ny voadiny" # voafatotry ny fianianany izy "voafatotra amin'ny voadiny." Ny hoe tsy maintsy manao izay nolazain'ny olona iray tamin'ny voadiny dia lazaina ho toy ny hoe voafatotra amin'ilay voady izy. DH: "tsy maintsy manao izay nampanantenainy hatao" # Iza no lehibe kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay manao ny volamena ho masina? Mampiasa io fanontaniana io i Jesosy mba hananarana ireo Fariseo satria noraisin'izy ireo ho zava-dehibe kokoa noho ny tempoly ilay volamena. DH: "Ny tempoly izay nanokana ny volamena ho an'Andriamanitra dia lehibe kokoa noho ny volamena!" # ny tempoly izay manao ny volamena ho masina "ny tempoly izay manao ny volamena dia an'Andriamanitra ihany"