plt_tn/mat/23/04.md

1.1 KiB

fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra izay sarotra entina, ary avy eo dia apetrak'izy ireo eo amin'ny soroky ny olona

Eto ny "enta-mavesatra" dia ireo fitsipika maro izay noforonin'ireo mpitarika fivavahana. DH: "asain'izy ireo mankatoa fitsipika maro izay ssrotra arahina ianareo"

tsy hanetsika ny ratsan-tanana iray akory ny tenan'izy ireo

Eto ny hoe "hanetsika ny ratsan-tanany iray" dia sarin-teny ilazana ny fanampiana. DH: "tsy mba hanome izay fanampiana kely indrindra izy ireo"

Manao ny asany rehetra izy ireo mba ho hitan'ny olona

Azo atao hoe DH: "Izy ireo dia manao ny asan'izy ireo mba ho hitan'ny olona izay ataon'izy ireo"

Fa ataon'izy ireo malalaka ny filakiterany, ary itarin'izy ireo ny moron'akanjony

Ireo zavatra anankiroa ireo no ataon'ireo Fariseo mba hisehoana toy ny hoe manome haja an'Andriamanitra mihoatra ny olona hafa izy ireo.

filakiterany

Vata kely vita amin'ny hoditra izay misy taratasy misy ny soratra masina voarakitra eo.

itarin'izy ireo ny moron'akanjony

Ireo Fariseo dia manisy morony lava eo amin'ny akanjo lavany mba hampisehoana ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'Andriamanitra.