plt_tn/mat/23/04.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra izay sarotra entina, ary avy eo dia apetrak'izy ireo eo amin'ny soroky ny olona
Eto ny "enta-mavesatra" dia ireo fitsipika maro izay noforonin'ireo mpitarika fivavahana. DH: "asain'izy ireo mankatoa fitsipika maro izay ssrotra arahina ianareo"
# tsy hanetsika ny ratsan-tanana iray akory ny tenan'izy ireo
Eto ny hoe "hanetsika ny ratsan-tanany iray" dia sarin-teny ilazana ny fanampiana. DH: "tsy mba hanome izay fanampiana kely indrindra izy ireo"
# Manao ny asany rehetra izy ireo mba ho hitan'ny olona
Azo atao hoe DH: "Izy ireo dia manao ny asan'izy ireo mba ho hitan'ny olona izay ataon'izy ireo"
# Fa ataon'izy ireo malalaka ny filakiterany, ary itarin'izy ireo ny moron'akanjony
Ireo zavatra anankiroa ireo no ataon'ireo Fariseo mba hisehoana toy ny hoe manome haja an'Andriamanitra mihoatra ny olona hafa izy ireo.
# filakiterany
Vata kely vita amin'ny hoditra izay misy taratasy misy ny soratra masina voarakitra eo.
# itarin'izy ireo ny moron'akanjony
Ireo Fariseo dia manisy morony lava eo amin'ny akanjo lavany mba hampisehoana ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'Andriamanitra.