plt_tn/mat/22/39.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mandray andininy avy ao amin'ny Levitikosy i Jesosy hilazana ny didy lehibe faharoa.
# Ary ny didy faharoa dia tahaka izao
ireo mety ho dikany dia 1) "Ary misy didy iray hafa manaraka izay manan-danja" na 2) "Ary misy didy faharoa izay manan-daja tahaka izany ihany." Na amin'io voalohany io na amin'ny faharoa, ny tian'i Jesosy ho lazaina dia manan-danja noho ireo didy hafa rehetra ireo didy anankiroa ireo.
# tahaka izany ihany
Ny dikan'izany dia hoe mitovy amin'ilay didy teo amin'ny andininy 22:37.
# mpiara-belona aminareo
Eto ny "mpiara-belona" dia misy hevitra mihoatra ny hoe olona mipetraka eo akaiky fotsiny ihany. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia tsy maintsy mitia ny olon-drehetra ny olona iray.
# Amin'ireo didy roa ireo no iankinan'ny lalàna manontolo sy ireo mpaminany
Eto ny hoe "ny lalàna manontolo sy ireo mpaminany" dia ilazana ny soratra masina manontolo. DH: "Izay rehetra nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany tao amin'ny soratra masina dia mifototra amin'ireo didy roa ireo"