plt_tn/mat/22/39.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mandray andininy avy ao amin'ny Levitikosy i Jesosy hilazana ny didy lehibe faharoa.

Ary ny didy faharoa dia tahaka izao

ireo mety ho dikany dia 1) "Ary misy didy iray hafa manaraka izay manan-danja" na 2) "Ary misy didy faharoa izay manan-daja tahaka izany ihany." Na amin'io voalohany io na amin'ny faharoa, ny tian'i Jesosy ho lazaina dia manan-danja noho ireo didy hafa rehetra ireo didy anankiroa ireo.

tahaka izany ihany

Ny dikan'izany dia hoe mitovy amin'ilay didy teo amin'ny andininy 22:37.

mpiara-belona aminareo

Eto ny "mpiara-belona" dia misy hevitra mihoatra ny hoe olona mipetraka eo akaiky fotsiny ihany. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia tsy maintsy mitia ny olon-drehetra ny olona iray.

Amin'ireo didy roa ireo no iankinan'ny lalàna manontolo sy ireo mpaminany

Eto ny hoe "ny lalàna manontolo sy ireo mpaminany" dia ilazana ny soratra masina manontolo. DH: "Izay rehetra nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany tao amin'ny soratra masina dia mifototra amin'ireo didy roa ireo"